Pure Play Football League (PFL): nanamafy ny heriny teo amin’ny laharana voalohany ao amin’ny conférence Sud ny Disciples FC taorian’ny fandresena mavesatra 5-1 nanoloana ny Antimo Record. Lalao nahitana fahasamihafana ara-teknika sy ara-batana teo amin’ny ekipa roa tonta.
Tsy nisalasalana ny vokatra teo amin’ny kianja, raha nandresy mazava 5-1 ny Disciples FC nanoloana ny Antimo Record. Efa hita nandritra ny fizaram-potoana voalohany ny fahasarotan’ny lalao ho an’ny Antimo Record, indrindra noho ny tsy fahafahana nanararaotra ireo fotoana nahafahana nampiditra baolina.
Araka ny nambaran’i Francklin Andriamanarivo, mpanazatra ny Antimo Record, “niezaka nanohitra ny mpilalaoko saingy nisy fiantraikany tamin’ny toe-tsain’ny ekipa ny baolina tsy tafiditra. Anisan’ny lesoka lehibe ny tsy fahampian’ny tanjaka ara-batana sy ny tsy fisian’ny lohalaharana mahomby amin’ny famaranana”.
Na eo aza izany faharesena izany, mbola mitana ny laharana faha-7 ny Antimo Record ary miomana amin’ny lalao farany hifanandrinana amin’ny COSPN Antananarivo, izay hisy fiantraikany tanteraka amin’ny fifaranan’ny fifaninanana ho azy ireo.
Ho an’ny Disciples FC kosa, araka ny fanazavan’i Johnny Rijaniaina, filohan’ny klioba, dia fanamafisana ny toerany eo amin’ny laharana voalohany izao fandresena izao. Nohamafisiny fa mitohy ny fanomanana sy ny ezaka ho fanatrarana ny tanjona, dia ny hahazoana ny amboara.
Anisan’ny tanjaky ny Disciples FC ny fisian’ireo mpilalao za-draharaha sy ny firaisankinan’ny ekipa, izay heverin’izy ireo ho fototra lehibe amin’ny fahombiazana.
Natokana fahatsiarovana manokana ho an’ny Pastora Tsimbaory ity lalao ity, izy dia isan’ny mpikambana ao amin’ny staff Disciples FC. Amin’ny 26 aprily ny lalao manaraka ho an’ity ekipa ity.






