Notanterahina ny 25 aprily 2026 teto, Antsirabe, Vakinankaratra ny fitokanana ara-pomba ofisialy ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM) eto Antsirabe. Nanatrika ity fitokanana ity sy ny hetsika natao teto Antsirabe ny filohan’ny fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny Colonel Michaël Randrianirina mivady sy ny delegasiona mpiara-dia aminy.
Nifandray tamin’ny fankalazana ny faha-100 taona nisian’ny vola taratasy malagasy ity hetsika ity, niaraka tamin’ny fampirantiana ny tantara sy ny vinan’ny rafitra ara-bola eto amin’ny firenena.
Mirefy 3000 m² ity fotodrafitrasa vaovao ity, izay natao hanamafisana ny asa ara-bola sy hanakaiky kokoa ny vahoaka eto amin’ny faritra Vakinankaratra sy ny manodidina.
Araka ny nambaran’i Aivo H. Andrianarivelo, Governoran’ny Banky Foiben’i Madagasikara, dia
« hanana anjara toerana lehibe amin’ny famatsiam-bola sy ny fivezivezen’ny vola any amin’ny faritra maro ny sampana eto Antsirabe, indrindra ho an’i Fianarantsoa, Toliara, Manakara ary Morondava » .
Tafiditra ao anatin’ny fanitarana ny asa ihany koa ny fisian’ny masoivoho vaovao any Maroantsetra sy Ambatondrazaka.
Nandritra ity hetsika ity dia nisy fampirantiana manokana nampahafantatra ny tantaran’ny vola malagasy, indrindra ny faha-100 taona nisehoan’ny vola taratasy voalohany. Voaresaka tamin’izany ny niandohan’ny Ariary, izay efa nisy hatramin’ny taonjato faha-18, ary ny fivoarany hatramin’izao.
Ankoatra izany, nambara ihany koa ny fanavaozana ara-teknolojia amin’ny alalan’ny tetikasa “e-Ariary”, izay mikendry ny hiadiana amin’ny kolikoly sy hanamora ny fandoavana vola amin’ny sehatra ofisialy. Voalaza fa ny hetra sy ny ladoany no ho isan’ny sehatra voalohany hampiharana izany rafitra izany.
Mikasika ny tahirim-bola, nambara fa manana vola mitentina 3 miliara dolara sy volamena iray taonina ny Banky Foiben’i Madagasikara amin’izao fotoana izao. Na izany aza, naneho hevitra ny tompon’andraikitra fa mbola misy fanamby lehibe amin’ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany, indrindra ny volamena, izay tsy mbola mitondra tombontsoa mitovy ho an’ny mponina rehetra.
Notsindrian’i Dr Herinjatovo Ramiarison, Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola ny ilàna ny fifandanjana eo amin’ny politika ara-bola (politique monétaire) sy ny politika ara-tetibola (politique budgétaire) mba hahazoana antoka fa mitondra fandrosoana ho an’ny firenena ny rafitra ara-toekarena.
Farany, nambara fa havoaka tsy ho ela ny boky manokana mitantara ny dian’ny vola malagasy nandritra ny 100 taona, ary hisy ihany koa ny vola 10 000 ariary fanamarihana manana endrika vaovao, ho fahatsiarovana ity tsingerintaona manan-danja ity.



