Manoloana ny tambohon’ny fiangonana eo Vatofotsy, manamorona ny lalam-pirenena faha-fito no misy ireo trano hazo ireo. Namoaka didim-pitondrana ny lefitry ny ben’ny tanàna ny 29 jona, ny handravàna ireo. Tsy ara-dalàna ny fanorenena, tsy azo tohizana ary tsy maintsy esorina.
Andry Rakotondrabe, Lefitry ny Ben’ny tanàna Antsirabe : » Arovana mafy mihintsy mba hipetraka ny drafitry ny tanàna mba tsy ho eny ambonin’ny tatatra na eny amin’ny toerana tsy hanorenana no manorina ny olona. Mbola mampitandrina an’ireny olona minia manorina amin’ny toerana tsy azo hanorenana ireny izahay fa tena tsy handefitra ny Kaominina ».
texte











