Resadresaka momba ny tarika, ny famoronana, ny asa-kanto efa vita sy ny tohiny
Teraka sy lehibe teto Antsirabe i Mandrantohery « Goul » Andriamihanta, Babai Lugu no anarana entiny manokana amin’ny sehatry ny kanto. Mipetraka any ivelany izy ankehitriny. Nanao fampisehoana tao amin’ny hôtel des Thermes ny tarika Babai Lugu sy Alalà Katsa Katsa ny 11 aprily, niara-nankalaza ny 45 taona naha-tao anaty kanto ny tarika Olombelo Ricky.
Fandaharam-potoana manaraka :
– Valahara café Antsirabe Babai Lugu sy Alalà Katsa Katsa : zoma 24 aprily 2026, manomboka amin’ny 7 ora hariva
– Kianja Antsahamanitra, Antananarivo : alahady 26 aprily manomboka amin’ny 3 ora hariva. Miaraka amin’i Bolo




