Nanomboka ny 28 ka hatramin’ny 30 aprily ny fiofanana natao ho an’ireo tanora voafantina eto Vakinankaratra, ho fanomanana ny fakan-kevitra mialoha ny Fikaonan-doham-pirenena. Tanjona ny hanamafisana ny fandraisan’anjaran’ny tanora amin’ny fanavaozana sy ny fanapahan-kevitra miainga avy eny ifotony.
Notanterahina teto Vakinankaratra nandritra ny telo andro ny fiofanana ho an’ireo tanora solontena avy amin’ny distrika samihafa, ho fiomanana amin’ny fakan-kevitra nasionaly mikasika ny hoavin’ny firenena. Araka ny fanazavan’i Haingo Fanova Razoeliarisoa, tale-paritry ny tanora sy ny fanatanjahantena, dia natao indrindra hanomezana fitaovana sy traikefa ireo tanora izany, mba hahafahany mitarika sy mandrindra ny dinika eny anivon’ny kaominina sy distrika.
Nambarany fa hanomboka amin’ny 4 mey ny fakan-kevitra eny anivon’ny kaominina, arahan’ny any amin’ny distrika amin’ny 11 mey, ary hifarana amin’ny eny amin’ny faritra ny 18 mey. Ireo dingana ireo no ahafahana manangona sy mampita ny hevitry ny tanora hatrany amin’ny sehatra nasionaly.
Ankoatra ny fiofanana dia natsangana ihany koa ny komity mpikarakara eo anivon’ny faritra. Araka ny fanazavan’i Haingoniaina Rakotomalala, mpanolotsaina teknika eo anivon’ny minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahantena, dia ahitana solontenan’ny manampahefana isan-tsokajiny izany komity izany, toy ny avy amin’ny prefektiora, ny kaominina, ny sehatry ny fampianarana ary ireo fikambanan’ny tanora. Hisy ihany koa ny komity hapetraka eny anivon’ny kaominina mba hanamora ny fandrindrana.
Ny rafitra napetraka dia mikendry ny hampiakatra tsikelikely ny hevitry ny tanora avy eny ifotony ka hatrany amin’ny sehatra nasionaly. Tanjon’izany ny hahazoana antoka fa tafiditra ao anatin’ny fanavaozana ny firenena ny feon’ny tanora, ary handray anjara mivantana amin’ny famolavolana ny ho avy, ao anatin’izany ny vina momba ny rafitra sy ny fitantanana ny repoblika.


