Tovovavy iray 15 taona, antsoina hoe F, no tsy hita nandritra ny herinandro rehefa nisy naka tao an-tsekoliny. Ankehitriny, hita izy ary tafaverina amin’ny fianakaviany. Miteraka ahiahy sy resabe teo anivon’ny fokonolona ny zava-nitranga.
Ny zava-niseho nandritra ny herinandro
Tamin’ny Talata 14 aprily no voalaza fa tsy hita i F. Araka ny fanazavany dia ny rahavavin-dreniny no naniraka olona haka azy tany am-pianarana ary nitondra azy tany Antananarivo. Rehefa fantatry ny fianakaviana sy ny mpiara-monina fa ilay rahavavin-dreny no nitondra azy dia nadihadiana tamin’ny alalan’ny antso an-tariby ity farany ary nilaza fa nentiny any Tsaralalàna i F. Nampitombo ny ahiahy ity anaran-toerana ary nino ireto olona ireto fa hala-jaza no mitranga. Ary indrindra mihevitra ireto olona ireto fa tsy tokony hitondrana tovovavy tsy ampy taona eny amin’io toerana io.
Nipetraka tany Antananarivo izy ny andron’ny nahatongavany hatramin’ny alahady 19 aprily, andro voalazany fa nandroahana azy noho ny iraka tsy vitany araka ny baikon’ny mpaniraka. Milaza i F fa nisy herisetra nahazo azy noho izany ary namafisiny fa tsy niharan’ny fanararaotana ara-nofo izy.
Rehefa voaroaka izy dia nisy tsara sitrapo nampiantrano nandritra ny roa andro ary niakatra teny amin’ny polisim-pirenena ny raharaha.
Milaza i Rakotondravao, rain’ilay voalaza ho nitondra an’i F tany Antananarivo, fa voantso tany amin’ny polisy teto Antsirabe ny tenany mahakasika ity raharaha ity. Rehefa nody teny Tsivatrinikamo izy dia nisedra ny hatezeran’ny olona ary nisy fahasimbana ny fananany. Raha ny eritreriny dia ditran’ankizy mifampitaritarika no misy fa tsy hala-jaza. Ary tsy mazava aminy ny tena nahatonga izao toe-javatra izao.
Ny alarobia 22 aprily i F no tafaverina teto Antsirabe ka izay no nitarika fitangoronana teo anoloan’ny biraon’ny fitaleavam-paritry ny filaminam-bahoaka eo Mahazoarivo ny alarobia hariva.
Hatreto dia tsy nisy fanamafisana na fandisoana ofisialy, hahafahana milaza fa nararaotina ity tsy ampy taona ity. Andrasana ihany koa ny filazan’ny polisim-pirenena, izay tsy mbola nitondra fanazavana hatreto. Ny fianakavian’i F kosa dia milaza hitory ary te-hahafantatra ny marina rahateo.






