Notanterahina tao amin’ny fokontany Tomboarivo (Antsirabe I) sy Ambano (Antsirabe II) ny fakan-kevitra ifotony. Nahitana mponina 451 avy amin’ny vondrona 16 ny tao Tomboarivo. Naneho mivantana ny olana sy ny hetahetany ny vahoaka.
Hevi-dehibe nipoitra
Ara-toekarena :
– Fanaraha-maso ny entana lany daty
– Fanamorana ny fampindramam-bola sy fampihenana zana-bola
– Fiarovana ny mpandraharaha malagasy
– Fitarainana noho ny fisian’ny « braderie » varotra an-kalamanjana matetika loatra, manimba ny varotra eto an-toerana, sy ny fiakaran’ny vidin’ny vaksinin’omby
Ara-tsosialy :
– Fahatapahan-jiro matetika sy faktiora miakatra
– Tsy fandriampahalemana: fitakiana poste avancé
– Olana amin’ny fanabeazana (programa, vatsim-pianarana, tsy fitovian-danja diplaoma)
– Maro ny ranora tsy an’asa na dia nahavita fianarana aza
Ara-pitantanana :
– Fitakiana titra faobe amin’ny fananan-tany
– Fanatsarana ny tambin-karama sy ny karama ho an’ny mpiasa tsy raikitra
Ny tsy fahandriam-pahalemana dia ilàn’ny vahoaka vahaolana maharitra
Araka ny nambaran’ny minisitra misahana ny fanavaozana, Hanitra Razafimanantsoa, dia natao hihainoana mivantana ny vahoaka izao dingana izao. Angonina ireo soso-kevitra ary ho avadika ho politika sy lalàna, ka ny sasany mety hiditra amin’ny fanavaozana lehibe.





