Notanterahana ny 19 aprily 2026 ny “Trail d’Ibity” andiany faha-folo, hetsika ara-panatanjahantena mampivondrona ny mpankafy hazakazaka an-tendrombohitra sady manohana ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafon’ny ankizy ao an-toerana.
10 taona ny “Trail d’Ibity” araka ny anarana entiny dia ao amin’ny kaominina Ibity, faritra Vakinankaratra no tanterahana izy ity. Sokajy telo no nifaninanan’ireo mpandray anjara, dia ny hazakazaka 3 km, 15 km ary 31 km, nahafahan’ny tsirairay nifidy arakaraka ny ho vitany sy ny tanjony.
Araka ny fanazavan’i Vincent Blanchet, tale jeneralin’ny Alpha Ciment Madagascar orinasa manana ozinina ao Ibity, dia mikendry indrindra « ny hanohana ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafon’ny ankizy ny hetsika ». Ny vola rehetra voahangona mandritra izany dia atolotra ny Maison de la Nutrition ao Ibity, rafitra iray miasa amin’ny fanatsarana ny fahasalaman’ny ankizy ao an-toerana.
Nohamafisiny ihany koa fa voalamina tsara hatrany ny hetsika isan-taona, ary hita taratra izany tamin’ity andiany ity.
Ho an’ireo mpandray anjara, tsy fanatanjahantena fotsiny ny Trail d’Ibity fa « sehatra iray ahafahana mifandray sy mifanerasera » . Nirina Vatosoa Rakotonaivo, avy any Antananarivo, nilaza fa « fotoana iray hifankahitana amin’ireo namana mpanao “trail” ihany koa ity hetsika ity ». Nomarihany fa nisy fiovana kely ny làlana tamin’ity taona ity, ka nahatonga fanamby fanampiny ho an’ireo mpihazakazaka.
Maria Maharavo Ramanajara kosa dia nanasongadina ny lafiny fikolokoloana vatana entin’ny dia tongotra sy hazakazaka lavitra ezaka. Na dia eo aza ny fahasahiranana amin’ny fanomanana noho ny asa andavanandro, dia nilaza izy fa nahavita ny hazakazaka ihany, na sarotra koa aza ny làlana.
Manasongadina ny firaisankina sy ny fandraisana andraikitra ara-tsosialy ity hetsika ity.




