Araka ny nambaran’i Adrien Julio Édouard Andrianirina, filohan’ny federasionin’ny tsipy kanetibe, dia manana anjara toerana lehibe amin’ny fananganana ny ekipa nasionaly ny fifaninanana hikatrohana klioba maro toa izao.
Ho an’ny sokajy lehilahy sy ny tanora latsaky ny 18 taona manokana, ireo izay ho tompondaka dia hiditra avy hatrany ao anatin’ny fifantenana hiomanana amin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany.
Ho an’ny sokajy hafa kosa, indrindra ny vehivavy, dia efa fijerena ny taona 2027 no tanjona. Izy ireo dia hisy handray anjara amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena. Midika izany fa efa dingana voalohany amin’ny fanomanana maharitra ny atleta malagasy ny hetsika amin’ity taona ity.
Misy fepetra tsy maintsy hajain’ireo mpandray anjara, anisan’izany ny fananana kara-pilalaovana manan-kery sy ny fanarahan-dalàna mikasika ny taratasy fifindrana ho an’ireo niova klioba amin’ity taona 2026 ity.
Nohamafisin’ny federasionina ihany koa ny fampiasana rafitra nomerika amin’ny fitantanana ny fahazoan-dalana, izay natao ho tokana sy manara-penitra nanomboka tamin’ny fanavaozana natao ny taona 2024.





