Manoloana ny fivarotana trondro avy amin’ny toerana voaloto dia mampitandrina ny tompon’andraikitry ny jono eto Vakinankaratra fa tsy azo hohanina ny trondro avy ao Andranomaimbo, Antsirabe. Mety hitera-doza ho an’ny mpanjifa izany.
Nazavain’ny talem-paritry ny jono fa tsy toerana fanjonoana na fanihifana na fanaratoana Andranomaimbo, fa sokajiana ho toerana itehirizana rano maloto, indrindra ireo avy amin’ny hopitaly. Vokatr’izany, tsy mahafeno fepetra ara-pahasalamana ny trondro ao aminy.
“Na dia afindra anaty dobo hafa aza ireo trondro dia tsy azo antoka ho madio, satria efa nihinana loto hatrany am-piandohana,” hoy ny fanazavan’i Koko Chantal de Cupertino, tale-paritry ny jono sy ny toe-karena manga. Noho izany, dia tsy azo hohanin’olombelona ireo trondro avy ao Andranomaimbo, fa mety hampiasaina ho sakafom-biby ihany.
Eo anatrehan’izany, manentana ny mpanjifa ny tompon’andraikitra mba hividy trondro amin’ireo toerana ara-dalàna sy nahazo alalana. Nampahafantariny fa mora fantarina ny trondro avy amin’ny rano maloto: miova ny lokony, misy fofona hafahafa, ary tsy mitovy amin’ny mahazatra ny masony.
Mitana andraikitra lehibe amin’ny famokarana sy ny toekarena ny sehatry ny jono eto Vakinankaratra. Araka ny fanazavan’ny tale-paritry ny jono sy ny toekarena manga, dia mizara telo ny asa iantsorohan’ny sampan’asa: ny fiompiana anaty rano (aquaculture), ny jono an-dranomamy, ary ny serasera ara-barotra mikasika ny vokatra azo.






