Nahaliana ny mpianatry ny sampam-pianarana ambony ny famelabelaran-kevitra mahakasika ny Fadintseranana (Douanes).
Mpianatra manodidina ny 500 isa no tonga tamin’ity hetsika nokarakarain’ny fikambanan’ny mpianatra AJUVA ity. Niompana tamin’ny asa any amin’ny sehatry ny fandintseranana ny lohahevitry ny famelabelarana izay natao tao amin’ny Amphithêatre an’ny Oniversiten’ny Vakinankaratra ny alahady 26 aprily. Nanao ny famelabelarana ny minisitry ny fitaterana sy famantarana ny toetr’andro, Herizo Andrianavalona Ramanambola sy ny ekipany. Ny minisitra izay niasa nandritra ny taona maro tao amin’ny Fandintseranana alohan’ny nanendrena azy ho minisitra.
Ankoatr’ireo fanontaniana manodidina ny asa dia maro ireo fanontaniana maneho fa liana amin’ny fiainam-pirenena sy ny toekarena ny mpianatra. Indrindra momba izay entin’ny Fandintseranana amin’ny fampandrosoana ny firenena sy hiarovana ny toekarena anatiny.
Nahafahan’ny mpianatra nandinika ny ho asany ity fotoana ity, ary koa nandalinany momba ny vola miditra eto amin’ny firenena, tao koa ny dinidinika hahafahan’ny tsirairay mamantatra momba ny fanondranana vokatra sy fanafarana entana any ivelany.












