Mponina manodidina ny 25 000 no mandrafitra ny Fokontany Mahazoarivo Atsimo, eto Antsirabe. Anisan’ny mampiavaka azy ny fisian’ny tany be sira, izay heverina ho niavian’ny anarana hoe Antsirakely. Eo am-piezahana hanatsara ny lalana sy ny jiro ary ny fahadiovana anefa dia mbola misy ireo olana sedrain’ny mponina, indrindra ny tsy fisian’ny toerana fanariam-pako sy ny tsy fananan’asa.
Faritra sy ny tantaran’ny anarana hoe Antsirakely
Anisan’ireo Fokontany mandrafitra ny tanànan’Antsirabe i Mahazoarivo Atsimo. Araka ny fanazavan’i Zafimahandry Naftal, lehiben’ny Fokontany, dia manana faritra midadasika izy io, izay ahitana an’i Vatolahy, Andranomadio, Ravintsara, Anosipary, Antsongo, Tsitamaso ary Azor, hatrany amin’ny manodidina ny FLM Mahazoarivo.
Anisan’ny mampiavaka ity Fokontany ity ny fisian’ny tany be sira. Io toetran’ny tany io, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny Fokontany, no mampisy ny fiantsoana ny faritra hoe Antsirakely.
Lalana sy jiro, anisan’ny ezaka ho fampandrosoana
Mifantoka amin’ny fanatsarana ny lalana sy ny fametrahana jiro ny asa ataon’ny Fokontany. Efa misy ireo ezaka amin’ny fanamboarana ny elakelan-trano sy ny fanaovana rarivato amin’ny alalan’ny pavé, indrindra amin’ireo lalana mankany avaratra.
« Rehefa tsara ny lalana dia mandroso ny tanàna », hoy i Zafimahandry Naftal.
Eo amin’ny lafiny famatsian-drano fisotro madio kosa dia nambarany fa efa mihatsara ny toe-draharaha, noho ny fitomboan’ny isan’ny fotodrafitrasa toy ny fantsakana sy ny fontaine eny anivon’ny Fokontany.
Mbola olana ny fitantanana ny fako
Tsy mbola manana toerana fanariam-pako manokana ny Fokontany Mahazoarivo Atsimo. Anisan’ny sakana amin’izany ny tsy fahitana tany azo ampiasaina hananganana dabam-pako. Mba hamahana izany dia misy ny fampiasana sarety madinika fanangonana fako. Entin’ny mponina amin’izany ny fakony, ary afindra any amin’ireo dabam-pako akaiky, toy ny any Avaratsena na eny amin’ny JIRAMA.
Eo amin’ny fanadiovana ny lakandrano kosa dia manao fanentanana isaky ny telo volana ny tompon’andraikitry ny Fokontany, amin’ny alalan’ny peta-drindrina. Antsoina handray anjara amin’ny asa iombonana ny mponina feno 18 taona no ho miakatra. Ho an’izay tsy afaka manatrika dia afaka mandefa solontena na mandoa dina mitentina 5 000 Ariary.
Jiro sy fandriampahalemana
Anisan’ny olana sedrain’ny Fokontany ihany koa ny tsy fandriampahalemana rehefa tapaka ny jiro. Araka ny fanazavan’ny lehiben’ny Fokontany, dia mirongatra ny sinto-mahery sy ny vaky trano rehefa maty ny jiro cobra eny amin’ny lalana.
Amin’izao fotoana izao anefa dia nilaza izy fa milamina ny Fokontany, satria mandeha tsara ireo jiro manazava ny faritra.
Tanora maro mbola tsy manana asa
Eo amin’ny lafiny sosialy sy ara-toekarena, mbola anisan’ny olana ny tsy fananan’asa, indrindra eo amin’ny tanora. Betsaka, hoy ny lehiben’ny Fokontany, ireo tanora manao fangatahana asa, saingy tsy fantatra mazava raha mahazo asa na tsia.
Manodidina ny 25 000 ny isan’ny mponina ao Mahazoarivo Atsimo amin’izao fotoana izao, ary mbola mitombo hatrany izany. Mitaky ezaka hatrany amin’ny fanatsarana ny fotodrafitrasa sy ny tolotra ho an’ny mponina izany fitomboana izany.
Mbola miandry vahaolana maharitra araka izany ny olana momba ny fanariam-pako sy ny asa ho an’ny tanora, raha toa ka efa misy kosa ny ezaka amin’ny fanatsarana ny lalana, ny jiro ary ny fahadiovana.





