Fitaterana an-drenivohitra: nitokona ny mpitatitr’olona amin’ny bisikileta

Sary: ©Mamy Randrianasolo/Angisy

Version française (en bas)

Nanao fitokonana teo Anosibe ireo andian’olona mpitondra bisikleta an-jatony izay mitaky ny hamoahana ireo bisikileta nogiazan’ny mpitandro ny filaminana.

Nahiditra valan-tsazy noho ny tsy fanarahan-dalana ireo bisikileta ireo raha ny fanampim-panazavana satria tratra nitondra olona roa. ”Ny bisikileta dia tsy natao hitondrana olona roa” hoy ny talem-paritry ny filaminam-bahoaka Analamanga, Hector Razafindrazaka.

Rehefa nisy ny fampiresahana teo amin’ny roa tonta dia naverina amin’ny tompony avokoa androany maraina ireo kodiaran-droa miisa 70 mahery voatazona teo anivon’ny polisy Anosy.

Araka ny fanambaran’ny avy ao amin’ny Filaminam-bahoaka tamin’ireto mpanao fihetsiketsehana “raha te hiasa hitondra olona ianareo noho izao fahasahiranana noho ny aretina izao, araka ny fitarainanareo dia, haverina ny bisikileta saingy mila mifampiresaka amin’ny kaomina ianareo mangataka alalana hahafahanareo miasa mitatitra olona. Rehefa vita izay, tsy misy olana ny aty aminay polisy fa avela malalaka ianareo mikarama mitatitra olona.”

“1000Ar ny lamandy aloa amin’ny bisikileta iray miditra fourrière” hoy hatrany ny polisy.

Mpamily sy mpanampy mpamily fiara fitateram-bahoaka ny maro amin’ireo mpitondra bisikileta ireo.

 

Des centaines de cyclistes ont manifesté à Anosibe, Antananarivo après que leurs vélos aient été mis en fourrière par la police de la ville. Ils n’étaient pas autorisés à transporter de passager. Puisque les bus ne sont pas autorisés à travailler en ce temps d’épidémie de COVID19, les conducteurs de bus et leurs assistants ont investi dans des vélos et se font payer tels des taximen.

Une discussion entre ces contestataires et la direction régionale de la sécurité publique s’est tenue le jour de la manifestation, le 15 août et les cyclistes ont pu récupérer leurs vélos.

Pour voir plus de photos:

Contestation des cyclistes à Antananarivo

 

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *