Antsirabe : Fitokonana hamerenana amin’ny laoniny ny marikarama

Takian’ny mpiasa ny hamerenana ny marikarama nampiaharina talohan’ny krizy COVID-19. Sary: ©Zoll Rabe

Nanao fitokonana ny ampahan’ny mpiasa ao amin’ny orinasa afaka haba lehibe iray eto Antsirabe ny alakamisy 2 septambra. Namonjy ny toeram-piasana izy ireo saingy tsy niditra namonjy asa fa nitondra sora-baventy nanoloana ny vavahadin’ny orinasa.

Olana ara-karama no ambaran’izy ireo fa anton’ny fitokonana. Itarainan’izy ireo amin’ny tompon’andraikitry ny orinasa fa tsy feno ary miovaova be foana ny marikarama raisin’izy ireo isam-bolana na dia efa mahafeno ny ora fiasana araka ny voafaritry ny lalàna aza izy ireo taorian’ny fihibohana nampihenana izany. Misy ihany koa ny mitaraina fa kely tsy araka ny tokony ho izy ny tambin-karama raisin’izy ireo amin’ny ora ambony ampanga sy ny tambin-karama ho an’ny asa alina. Tsy fanondrotan-karama no takian’izy ireo araka ny antsoantson’ireo mpanao fitokonana fa ny hamerenana araka ny tokony ho izy ny karama raisin’izy ireo. Tsy nety naneho hevitra mahakasika ity fitokonana ity sy ny fitakian’ireto mpiasa ireto moa ny tompon’andraikitry ny orinasa raha natonin’ny mpanao gazety maro be tonga teny an-toerana. Niandry ny fahatongavan’ny avy ao amin’ny sampan-draharahan’ny fitsirihana ny asa vao nisy ny fifampidinihana teo amin’ny roa tonta. Noho ny tsy fahatokisana intsony ny solontenan’ny mpiasa eo anivon’ny orinasa dia nandefa solontena vaovao ireo mpanao fitokonana nitondra ny fitakian’izy.

Zoll Rabe

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *